Andao ahena ny fampiasana ny akora plastika
Inona avy ireo fomba hampihenana ny fampiasana plastika??
- Atsaharo ny fampiasana fitrohana rano vita amin’ny plastika. Raha tsy maintsy mampiasa fitrohana ianao dia izay vita amin’ny taratasy na vy tsy miofo ampiasaina.
- Mampiasà kitapo azo ampiasaina ho an’ny voankazo sy legioma. Mividiana na manamboara kitapo lamba mba hitondrana ny entanao. Sasao matetika izany.
- Mampiasà tavoahangy na kaopy azo iverenana ampiasaina ho an'ny zava-pisotro. Halaviro araka izay azo atao ny tavoahangy plastika in-dray mampiasa fotsiny, mitondra kaopy miaraka aminao ary fenoy izany.
- Ivereno ampiasaina ireo fitaovana fitoeran-javatra. Ivereno ampiasaina ny fitoeran-javatra ary mividiana vokatra ao anaty baoritra fa tsy plastika.
- Ataovy re ny feonao. Miresaha amin'ny olon-kafa momba ny loza ateraky ny plastika: fianakaviana, namana ary hatramin'ny mpitarika eo amin’ny fiaraha-monina sy ny politika.