Tide Turners-05.png

Andao ahena ny fampiasana ny akora plastika

Inona avy ireo fomba hampihenana ny fampiasana plastika??

  1. Atsaharo ny fampiasana fitrohana rano vita amin’ny plastika. Raha tsy maintsy mampiasa fitrohana ianao dia izay vita amin’ny taratasy na vy tsy miofo ampiasaina.
  2. Mampiasà kitapo azo ampiasaina ho an’ny voankazo sy legioma. Mividiana na manamboara kitapo lamba mba hitondrana ny entanao. Sasao matetika izany.
  3. Mampiasà tavoahangy na kaopy azo iverenana ampiasaina ho an'ny zava-pisotro. Halaviro araka izay azo atao ny tavoahangy plastika in-dray mampiasa fotsiny, mitondra kaopy miaraka aminao ary fenoy izany.
  4. Ivereno ampiasaina ireo fitaovana fitoeran-javatra. Ivereno ampiasaina ny fitoeran-javatra ary mividiana vokatra ao anaty baoritra fa tsy plastika.
  5. Ataovy re ny feonao. Miresaha amin'ny olon-kafa momba ny loza ateraky ny plastika: fianakaviana, namana ary hatramin'ny mpitarika eo amin’ny fiaraha-monina sy ny politika.
Teo aloha Manaraka